8
Louange, puissance, honneur et gloire au Dieu Créateur. Père immuable compatissant et miséricordieux, Il prend soin de nous tous les jours. Pierre angulaire qui nous soutient, en lui nous trouvons notre refuge et notre salut.
1 - Dera laza, hery, haja,
Ho an’Andriamanitra,
Tompon’aina, Zanahary,
Rain’ny voninahitra.
Izy no Mpanao antsika
Sady ivelomanana ;
Fototr’aina, foto-tsoa,
Izy ivavahana :
Hihira isika hoe : Haleloia !
Dera ho an’Andriamanitra
2 - Ray tsy toha, tsy miova
Tia sy mamindra fo,
Mahasoa isan-andro,
Izy no isaorana ;
Vatolampy tsy mifindra,
Tokin’olombelona ;
Fiarova-mahavonjy,
Izy itokiana :
Hihira isika, sns.