36

 

1 - Moa ho haiko hotantaraina

Ny hasoavanao ?

Mifamatra tamin’aina

Ny fitiavanao

Ny vahoaka sesehena

Izay nahazo famonjena

 No hidera ilay Mpamonjy soa

Jeso no derao, Jeso no derao

Izay nataony ambarao

Jeso no derao.

 

2 - Hoderaina lalandava

Ny Anaranao

Fa ny aizina nisava

Eo imasonao ;

Na tsy tian’ny sasany aza

Ny Anaranao malaza

Izaho kosa hankalaza Azy re

Jeso no derao, Jeso no derao

Izay nataony ambarao :

Jeso no derao.