67

Avia ry mino !

Hifaly sy hihoby,

Avia, avia hankany Betlehema ;

Teraka Jeso,

Tompon’ny anjely ;

:,: Avia hitsaoka Azy :,:

Izay Tomponao !

 

Tompon’ny tompo,

Andriananahary,

Nefa mba zana-behivavy koa ;

Zanak’i Maria,

Nefa Zanahary ;

:,: Avia hitsaoka Azy :,:

Izay Tomponao !

 

 

Derao ry anjely,

Mihobia mafy,

Ry mponina an-danitra ao

Ambony ao !

Dera sy laza

Atolory Azy ;

:,: Avia hitsaoka Azy :,:

Izay Tomponao !

 

He arahaba,

Tonga aty an-tany

Ny Tompo, Mpamonjy sy

Mpanjaka koa,

Tenin’ny Rainy

Voatafy nofo

:,: Avia hitsaoka Azy :,:

Izay Tomponao !