78

1 - Be ny voninahitrao,

Jeso Kristy Tompo !

Lanitra nonenanao,

Maro no nanompo.

Be ny mahasambatra,

Faly re ny fonao ;

Nanam-boninahitra

Tao an-dapan-dRainao.

 

2 - Fa ny voninahitrao,

Efa nialanao;

Ny haren’ny lanitra

Tsy mba nojerenao

Teraka ho olona

Hianao nahery,

Ka avy mba hanavotra

Ny mpanota very.

 

3 - Eny, tonga Hianao,

Honina ‘amin-tany,

Hahazoan’ny olonao

Soa tsy ho lany.

Sarotra ny lalanao,

Be ny zava-mafy,

Loza no nanjo Anao,

Maro no nandrafy.

 

4 - Saotra no aterinay,

Vavaka aman-dera ;

Ravo ny fanahinay,

Ka avy mba hihira,

Vitanao ny asanao

Namonjenao aina

Ka indro ny Anaranao,

Velona ao an-tsaina !