303
1 O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso,
‘Zay no baiko azontsika, ka mandrosoa :
Jesosy Tompo no bikaiko mandrosoa :
Raiso
ka arotsahy ny haratonao.
Miaingà, namako ô ! Jeso no mibaiko
Mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa tokoa
Aza kivy koa, na dia tsy mahazo :
Mandrosoa amin’ny lalina kokoa.
2 O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso,
Saina mora kivy aoka ho lavinao ;
Fa ny mora kivy dia hanenina tokoa :
Raiso ka arotsahy ny haratonao.
Miaingà, namako ô, sns.
3 O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso,
Mbola ao ny hazandrano ho azonao
Tsy azonao anio, ampitso mandrosoa,
Raiso ka arotsahy ny haratonao.
Miaingà, namako ô, sns.
4
Mba mitoera, Jeso ao antsambonay
Mba ho renay lalandava ny teninao ;
Ny baikonao, ry Tompo, no andrasanay
Handrotsahanay izao ny haratonay.
Miaingà, namako ô, sns.