303

 

1 O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso,

‘Zay no baiko  azontsika, ka mandrosoa :

Jesosy Tompo no bikaiko mandrosoa :

Raiso ka arotsahy ny haratonao.
Miaingà, namako ô ! Jeso no mibaiko

Mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa tokoa

Aza kivy koa, na dia tsy mahazo :

Mandrosoa amin’ny lalina kokoa.

 

2 O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso,

Saina mora kivy aoka ho lavinao ;

Fa ny mora kivy dia hanenina tokoa :

Raiso ka arotsahy ny haratonao.

Miaingà, namako ô, sns.

 

3 O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso,

Mbola ao ny hazandrano ho azonao

Tsy azonao anio, ampitso mandrosoa,

Raiso ka arotsahy ny haratonao.

Miaingà, namako ô, sns.

 

4 Mba mitoera, Jeso ao antsambonay
Mba ho renay lalandava ny teninao ;

Ny baikonao, ry Tompo, no andrasanay

Handrotsahanay izao ny haratonay.

Miaingà, namako ô, sns.