430
1 Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray
Fa tafika nidika
Izaho dia olonao mandrakizay.
He ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly,
Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray.
2 Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko,
Ny nanavotanao ny aiko,
‘Lay
fanahy sarobidiko.
Fa nomena fahendrena
‘Zay ekena fany famonjena,
Ka endrika, sns.
3 Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrerapo ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny
arovanao, ry Ilay tsitoha
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony
Ka endrika, sns.
4 Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro, ka ho mirana.
Fa Jehovah, ray mahery
Miandany sady koa mijery
Ka endrika, sns.