432

 

1 Mandra-piavin'ny Tompo mivavaha,
Ny teny tsara nomeny tadidio :
Ny adidinao , tontosay sy efao
Mijery ny ataonao ry Ray.
Raha mpanompo tsara hianao,
He, ny Tompo faly aminao,
Koa tanteraho ireo adidinao,
Mba ho mpanompo mahasoa.

2 Mandra-piavin'ny Tompo miasą
Ampitomboy ireo talenta azonao,
Vola, fahaizana, aina, hery koa
No anompoy ny Tompo Tsitoha.
Raha mpanompo, sns.

3 Moa tianao va Ilay Mpamonjy Tompo soa
Ny rany anie nanavotanay anao !
Ny hafany tanteraho sy hajao
Valio ny fanavotany anao.
Raha mpanompo, sns.