530

 

1 Fitiavana rano velona,

Loharano lalina,

Ka miafina ao anatiny

Ny fiainan-danitra.

 

2 Fitiavana no nirahina

Avy tamin-Jehovah ;

O, mba raisonao, dia ho fantatrao

Ny fahasambarana.

 

3 Fitiavana didy tokana

Ary didy lehibe ;

Mitoera ao, hitoeranao

Amim-piadanam-be.