753
1 Hiaraka Aminao aho, ô ry
Jeso Tompoko
Tsy manana olon-kafa aho,
Fa Hianao no fiainako
Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako
Hifikitra Aminao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
N’aiza n’aiza hitondranao ahy
Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
Fa Hianao no miantso ahy.
Hiaraka Amina aho, ô ry Jesoa Tompoko
Hitory teny soa amin’ireo havako
Hanara dia Anao : ‘zay no faniriako
Hanohy ny asanao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns.
Hiaraka Aminao aho, ry Jeso Tompoko,
Ho zary famonjena anie ny fahoriako
Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako
Hifantatsika Aminao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns.
Hiaraka Aminao aho, ry Jeso Tompoko,
Hibanjina ny Ray, Tompo Andriamanitro.
Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako.
‘Zay misy Anao, no hisy ahy Jesoa.
Tiako ny hiaraka, sns.