13 décembre 2006

HAFATRY NY SYNODA LEHIBE XXXI

 

 

 HAFATRY NY SYNODA LEHIBE XXXI

10, 11, 12 Novambra 2006

Domaine des Chamerolles - Chilleurs Aux Bois (Orléans)

 

 

«  Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana. » (Heb.12/14a)

Ny Synoda Lehibe faha-31 n'ny FPMA izay nivory teto amin'ny « Domaine de Chamerolles » 45170 Chilleurs aux Bois, ny 10-11-12 novambra 2006, mamangy ny Tafo 34 sy ny Fiaraha-mivavaka ary ny kristiana rehetra eto amin'ny FPMA.

Hampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo sady Lohan'ny Fiangonana.

«  Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana. »)

Izany teny faneva izany no nanorenana ity Synoda faha-31 ny FPMA ity.

Koa  ireo mpivory niisa ho 108 avy amin'ny Tafo sy Faritany, Sampana, Vaomiera ary Departemanta FPMA, rehefa nivory nandinika ny fiainan'ny FPMA, nijery ny lasa ary nibanjina ny ho avy, dia mandefa izao hafatra izao ho an'ny Fiangonana manontolo.

1. « Miezaha… » : baiko mitaky fikirizana, tsy mamela hipetrapetraka fotsiny fa mitady hetsika faingana, finiavana ary faharetana mba hahatratra tanjona kendrena.

Noezahina ny hijery sy hifampizara  ny fiainan'ny FPMA nandritra izay roa taoana izay teo amin'ny sehatra rehetra. Koa ao anatin'ireny dia marihina tsara fa lavorary ny fandoavana ny fiveloman'ny Filoha Synodaly, araka ny fanapahan-kevitry ny synoda FPMA faha-30 tany Nancy, nanomboka ny volana Jolay 2005 ka mandraka ankehitriny. Koa isaorana be dia be ny Tafo rehetra sy sehatra asa rehetra eto amin'ny FPMA tamin'ny ezaka nanatanterahana izany.

Vita ary nankatoavina ny fitantanam-bolan'ny FPMA taona 2005 sy 2006.

Ny asan'Andriamanitra dia mila mpanompo vonona, feno fanoloran-tena sy fitiavana ary fanetren-tena. Koa nofidina tamin'ity Synoda ity ireo mpiasa amin'ny sehatra samihafa eto amin'ny Foibe FPMA, anisan'ireny :

  • 1. Birao Foibe:

Filoha synodaly : Pasitera Andriamarohasina Ravalitera Jean

Filoha mpanampy mpitandrina : Pasitera Théodore Randriamanantena

Filoha mpanampy laika : Atoa Jean-Solo Rafidinarivo

Mpitan-tsoratra : Atoa Tiana Radison

Mpitahiry vola : Atoa Herintsoa Rasidimanana

Mpandraharaha ny vola : Atoa François Ramialison

Mpanolon-tsaina : Pasitera Seth Rasolondraibe

  • 2. Mpandini-bola:

Atoa Solo Rabarimanana

Atoa Ramahatafandry Andrianavelasoa

2. « Miezaha mitady fihavanana… » : azo adika koa hoe fiadanana sy fisainana hisiana filaminana milaza fahafenoana eo amin'ny fiainana izany.

Satria moa ny zava-dehibe vaindohan-draharaha voalahony amin'ny izao tanoa 2006 2007 izao dia ny hahatafindirantsika ho mpikambana feno (mpikambana mpiara-miasa isika izao/membre associé) ao amin'ny  FPF - Fédération Protestante de France - dia mahafaly ny mampahafantatra antsika fa mizotra tsara ny dingana rehetra koa raha sitrapon'Andriamanitra dia amin'ny « Conseil National » Desambra 2006 sy ny « Assemblée Générale » Martsa 2007 izao no hanapahana hevitra ny handraisan'ny FPF antsika.

            Nambara  teo amin'ny fivoriana koa ny fanapahan-kevitry ny mpiandraikitra Foibe FJKM ny handraisana indray ny fiaraha-miasa amin'ny FPMA.

3. « Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra… » : Izany fihavanana izany dia azo adika ho fahatanterahan'ny fihavanana amin'Andriamanitra. Koa mitatra ny sehatr'asa hitorian'ny FPMA ny filazantsara, ary noraisina tamin'ny fomba ofisialy ny fiaraha-mivavaka Annemasse sy Perpignan.

Nomena ainga vaovao ihany koa ny fitaovam-pifandraisana eto amin'ny FPMA, ary ankoatry ny Gazety Vatsy dia hanangana « Radio-Internet » ny FPMA

4. « Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra sy fahamasinana » : Olona nanokan-tena ho an'Andriamanitra ny kristiana, ary aoriny ho fiangonana mba hanao ny asany ety an-tany.

Hahazoana manatanteraka izany dia namafisina tamin'ny ity Synoda ity ny tokony hananan'ny tafo tsirairay avy na ny faritany Mpitandrina matihanina. Koa amin'izao fotoana izao dia efa niroso ho amin'izany ny Tafo Aix-Marseille sy Tafo Grands-Champs. Ankehitriny dia miisa ho efatra ireo tafo efa manana mpitadrina matihanina eto amin'ny FPMA.

Natsangana tamin'ity synoda ity ny vaomiera manokana iray mitondra ny anarana hoe : VMMM (Vaomiera Mitrandraka ny momba ny Mpitandrina Matihanina) izay handinika sy hanentana ary hanampy ny tafo amin'ny fanatanterahana izany.

Notokanana ho mpitandrina FPMA nandritra izao Synoda izao koa, i Pastera Zaranaina Andrialampison.

Nanapa-kevitra koa ny Synoda ny hametrahana ny loholona isaky ny tafo izay maniry izany araka ny fitsipika nolaniana.

Tohizana sady hamafisina ny asan'ny SAP (Soritr'Asam-Piangonana), koa ankoatry ny lasy fiofanana nasionaly dia hisy ihany koa ny lasy karakaraina eo anivon'ny faritany.

Koa rehefa avy namaritra ny làlan-kizorana ho amin'izao roa taona ho avy izao ny solon-tenanareo teto amin'ny Synoda dia manentana sy mampahery ary mitsodrano anareo mba hahefa be eo amin'ny asa fanompoana izay ijoroantsika ho vavolombelon'i Kristy amin'ny fikendrena sy fanamafisana ny fiombonana ho amin'ny asa misiona ho fanasitranana izao tontolo izao sy hizarana fiainana be dia be.

«Ary ho an'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny mihoatra lavitra no izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amen. » Efesiana 3 :20-21.

« Domaine de Chamerolles » 45170 Chilleurs aux Bois, ny 12 novambra 2006

Ny mambra ny Vaomieran'ny Hafatra

Filoha : Pst Falimanana Raharindranto

Faritany Avaratra Andrefana : Pst Marc Vincent

Faritany Avaratra Atsinanana : Pst Dimby Ratovonarivo sy Atoa Daniel Rasamimanantsoa

Faritany Afovoany Andrefana : Pst Harizaka Razafimbololona

Faritany Afovoany Atsinanana : Pst Emma Randrianandrasana

Faritany Atsimo Andrefana : Pst Elysé Andriamiandra

Faritany Atsimo Atsinanana : Atoa Julien Rabarison

PS : Izao hafatra izao dia notinapaky ny Synoda Lehibe faha-31.

3 décembre 2006

Agenda décembre 06 janvier 07

Cultes réguliers : à 15h30
1er et 3ème dimanches ERF Villars, 3 rue Villars Aix En Provence
2ème, 4ème et 5ème dimanches ERF Grignan, 15 rue Grignan 13006 Marseille
 
Etudes Bibliques :
Jeudi 19h30 ERF Villars (en suspens pour l’instant)
Vendredi 20h00 ERF Grignan
 Décembre
Dimanche 3 : 15h30, Villars Sainte Cène, culte officié par le pasteur Sandratana Rarijason
Dimanche 10 : 15h30 Grignan : Sainte cène
Samedi 16 : 18h00, Villars : Komity Tafo
Dimanche 17 : 15h30  Grignan : Arbre de Noël du  Sekoly Alahady
Dimanche 24 : 21h00 Sasak’alina : Culte suivi du Concert de Noël, partage de bûches.
Lundi 25 : 15h30 Culte de Noël, Grignan (rakitra polopitra, valopy vokatra, Sainte cène, baptême)
Dimanche 31 : 15h30 Culte de fin d’année, Grignan
 
Janvier
Samedi 6 : 18h30, Villars : Agape, partage des paniers, desserts offerts, animation.
Dimanche 7 : 15h30, Villars : Taom-baovao, culte avec Sainte Cène
Dimanche 14 : 15h30 Grignan : Taom-baovao, culte avec Sainte Cène
Dimanche 21 : 15h30, Culte œcuménique : lieu à communiquer ultérieurement.
Samedi 27 : Réunion Komity tafo
Dimanche 28 : 15h30, Grignan : Culte STK
 

Rappel
Bulletins de souscription des Mpandray à retirer et à remettre aux trésoriers. Possibilité de prélèvement automatique, RIB à retirer auprès des trésoriers.
Gazety Mpamafy : Sortie bimestrielle : gazetympamafy@yahoo.fr  
Site fpmaam : http://fpmaam.free.fr
Inscription des catéchumènes auprès du Bureau de l’Eglise
 

Activités régulières 
Sampana Fifohazana : tous les samedis à 15h30 , Villa Tamaris, Vitrolles : Etude biblique et asa sy fampaherezana
STK : Réunion  ordinaire tous les premiers samedi du mois, Guillaume Farel, 15h30 : contact : stkam@free.fr
Sekoly Alahdy : tous les dimanches à 14h30, et troisième samedi à Guillaume Farel
Chorale : après les cultes et certains samedis
Groupe Instrumental : Samedi après midi 14h30, Contact : groupe_instrumental@hotmail.fr
SVK : Voir les responsables 

23 octobre 2006

Agenda 4ème trimestre 2006

Cultes réguliers : à 15h30

1er et 3ème dimanches ERF Villars, 3 rue Villars Aix En Provence

2ème, 4ème et 5ème dimanches ERF Grignan, 15 rue Grignan 13006 Marseille

 Etudes Bibliques :

Jeudi 19h30 ERF Villars

Vendredi 20h00 ERF Grignan

 

En raison de l’occupation des temples et de ces annexes par les paroissiens français des deux ERF, certains cultes sont déplacés ou décalés.

 Octobre

Samedi 28 : Activité de levée de fonds de la FPMAAM

20h00 : Dîner concert à la salle de fête Aix les Platanes  

Dimanche 29 : 15h30, Grignan

Novembre  

Dimanche 5 : 10h30 Villars : Culte Franco-malgache

10, 11 et 12 : Synode Lehibe à Orléans

Dimanche 12 : 16h30, Grignan

Samedi 18 : 18h00, comité élargi, Planning 2007, Guillaume Farel Dimanche 19 novembre : 15h30, Villars

Dimanche 19 : 15h30, Villars

Samedi 24 novembre : 20h00 Concert Chorale Antsa Fiderana : Grignan

Dimanche 25 novembre : 15h30, Culte Chorale,  Grignan

 Décembre

Dimanche 3 : 15h30, Villars

Dimanche 10 : 15h30 Grignan

Dimanche 17 : 15h30 Arbre de Noël Sekoly Alahady

Dimanche 24 : Sasak’alina

Lundi 25 : 15h30 Culte de Noël, Grignan (+vokatra)

Dimanche 31 : 15h30 Culte de fin d’année, Grignan 

Rappel : bulletin de souscription des Mpandray à remettre aux trésoriers.

Gazety Mpamafy : Sortie bimestrielle

14 octobre 2006

DINER SPECTACLE FPMA AIX MARSEILLE

RDV le 28 octobre

Salle des fêtes
Roger Baudun - Les Platanes
Aix Les platanes
Samedi  28 octobre à 20h
 
Avec la participation des sections de la FPMA
 
Au programme : chants, saynètes, chorégraphie,musiques…
 
Adulte : 15eur
Soutien : 20 eur
Etudiants : 10 eur
Enfants  (+5) : 10 eur

14 août 2006

Bienvenue sur le site de la FPMA Aix Marseille

La FPMAAM (Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy Aix Marseille), est l'une des 28 paroisses de l'Église Protestante malgache en France (FPMA). Les cultes sont célébrés tous les dimanches et les fêtes chrétiennes les 1er et 3ième dimanches du mois à Aix en Provence, et 2ème, 4ème et 5ème à Marseille. Ce site vous propose une présentation de l'Eglise ses activités et ses sections.