18 août 2006

Hira 753

753

1 Hiaraka Aminao aho, ô ry

Jeso Tompoko

Tsy manana olon-kafa aho,

Fa Hianao no fiainako

Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako

Hifikitra Aminao aho, Jesoa !

Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa

N’aiza n’aiza hitondranao ahy

Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa

Fa Hianao no miantso ahy.

Hiaraka Amina aho, ô ry Jesoa Tompoko

Hitory teny soa amin’ireo havako

Hanara dia Anao : ‘zay no faniriako

Hanohy ny asanao aho, Jesoa !

Tiako ny hiaraka, sns.

Hiaraka Aminao aho, ry Jeso Tompoko,

Ho zary famonjena anie ny fahoriako

Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako

Hifantatsika Aminao aho, Jesoa !

Tiako ny hiaraka, sns.

Hiaraka Aminao aho, ry Jeso Tompoko,

Hibanjina ny Ray, Tompo Andriamanitro.

Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako.

‘Zay misy Anao, no hisy ahy Jesoa.

Tiako ny hiaraka, sns.

18 août 2006

Hira 750

750

Louange et gloire à toi Seigneur, à Toi qui nous a bénis : Merci pour cette nouvelle année ! De nombreux jours sont passés, et Tu nous as bénis , ô Père, et nous a procuré un immense bonheur. Que nous te servions jusqu’à la fin de nos jours, Seigneur, fortifie nous, nous tes serviteurs.

1- Dera, laza, ry Mpanjaka !

no atolotray Anao

Noho Hianao nitahy :

Tratranay ny taom-baovao.

2 - Andro maro izay no lasa,

Be soa hitanay;

Fitahia-mahagaga

Azo taminao, ry Ray !

5 - Aoka re ny andro sisa

Hanompoanay Anao :

Hatanjaho, ry Jehovah !

Izahay mpanomponao.

18 août 2006

Hira 731

731

1 - Enga anie ka homba anao Jeso !

Hanadio sy hanazava .

Hampahery lalandava

Enga anie ka homba anao Jeso !

Homba anao, homba anao,

Homba anao anie Jeso

Homba anao, homba anao,

Enga anie ka homba anao Jeso !

2 - Raha mitolona ady sarotra

Matokia fa tsy ho irery,

Homba anao Jeso mahery

Homba anao tsy miady varotra .

Homba anao, sns

18 août 2006

Hira 530

530

1 Fitiavana rano velona,

Loharano lalina,

Ka miafina ao anatiny

Ny fiainan-danitra.

2 Fitiavana no nirahina

Avy tamin-Jehovah ;

O, mba raisonao, dia ho fantatrao

Ny fahasambarana.

3 Fitiavana didy tokana

Ary didy lehibe ;

Mitoera ao, hitoeranao

Amim-piadanam-be.

18 août 2006

Hira 480

480

Mamin’ny foko, ry Jeso ô !

Ny famonjena izay vitanao,

Ny hadisoako navelanao,

Tena afaka aho mandrakizay.
Jeso malala ô ! Mpamonjy soa !

Indro ny aiko raisoho Anao ;

Velon-kanompo, velon-kanoa,

Vonon-kanao izay sitrakao.

Aoka ny foko sy ny fonao

Hiara-mitepo tena iray ;

Aoka ny saiko sy ny sainao

Hiray safidy mandrakizay.

Jeso malala ô ! sns.